Entrée | 1 Tonon-taona mampanembona |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Dox |
Texte complet |
5 Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra... 6 Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray, 7 Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra, 8 Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay. 9 Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra, 10 Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo; 11 Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra; 12 Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo 13 Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana. 14 Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana 15 Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody. 16 Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena! 17 Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena 18 Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |